GERARD Ô ! MIVAVAHA HO ANAY (Tonony sy feony : p.vonji.) Omenay dera sy fankasitrahana ianao ry Gerard ô! Fa nahazoanay fahasoavana. Ianao ry Gerard ô! Mivavaha ho anay e! Feno hasoavana hatramin’ny fahazaza, Endrika velon’I Jesoa ilay voafantsika Mpianatr’I Jesoa Kristy Mpanavotra Ianao ry Gerard ô! Mivavaha ho anay Mpanompo mpanaja an’I Masina Maria, Ohatra mahagaga amin’ny fahaiza-manaiky, Olon’ny asa sady olon’ny vavaka Ianao ry Gerard ô! Mivavaha ho anay Mpanolo-tsaina mahay sy manazava, Mpitarika ireo mpamantatra ny antson’ny Tompo Reharehan’ny Redantorista Ianao ry Gerard ô! Mivavaha ho anay Sakaizan’ireo mahantra sy ny madinka, Sakaizan’ny fiadanana sy fihavanana Ary sakaizan’ny fandriam-pahalemana Ianao ry Gerard ô! Mivavaha ho anay Mpivavaka mahatoky ho an’ireo marary. Mpiaro ny reny sady mpiaro ny zaza. Feno ny fahasoavan’ny lanitra. Ianao ry Gerard ô! Mivavaha ho anay