GERARD OMEM-BONINAHITRA (Lohateny fototra: glorioso san Gerardo Tonony : P. Vincenzo Carioti Fandrindrana: P. Brugnano Salvatore Feony: Giuseppe Voci Dikanteny malagasy : p. Vonji.) Mideza tokoa ny lalana Notoloran’I Gerard Tanana Ka na dia nijaly aza izahay Hafaliana no mameno ny fonay Toy ny kintana eny an-danitra I Gerard nankahery haharitra Ireo izay nijaly ka niantso amin’ny fo I Gerard hanome ho azy valisoa. Ref Gerard omem-boninahitra Tianay asandratra aminao fisaorana noho ny fiantranao ireo madinika. Gerard omem-boninahitra Ianao fianatra ho anay Ny hatsaram-ponao aminay Mitantana ho any amin’ny Ray.