MARIA FANANTENAKO (tonony sy feony: Md Alphonse Dikan-teny Malagasy: p. Vonji.) Ry Maria fanantenako Ry reny tiako indrindra. Ianao no hany fiainako. Fiadanako ianao. Raha miantso anao aho Maria o ! Raha mihevitra anao e ! Dia faly sy ravoravo Fa voaavotrao Mahatsiaro ho osa aho Maria o ! Mihorohoro ny fanahiko. Ka aza mandao ahy ianao Rehefa miantso aho. Mamaky ity onjam-piainana. Ianao no kintana hitarika Ianao no lakana afaka Hamonjy ny fanahiko Iantrao aho ry Tompovaviko Fa eo anilanao No tiako ho fiainana Sy iriko hahafatesana Raha ho avy ny fotoana Hialako ety ry Maria o ! Dia raiso aho ho tonga Anilanao an-danitra.