NANTSOINAO ‘ZAHAY (tonony sy feony : p. Vonji.) Ianao ry Ray Mpahary No nihavian’izao rehetra izao Nantsoinao zahay handavorary Nefa indrisy, tsy mba nety nanao Nirahinao hanavotra anay Jesoa Zanakao. Tompo o ! (2) mamindra fo aminay Tompo o ! (2) mamindra fo aminay Ianao ry Jesoa Zoky No nampianatra anay fitiavana Nantsoina ‘zahay mba hitia amin-toky Nefa indrisy mbola be fankahalana Tonga taty ianao Hampihavana anay Kristy o ! (2) mamindra fo aminay Kristy o ! (2) mamindra fo aminay Ianao ry Fanahy Masina No aina mamelona sy herinay Nantsoinao zahay mba ho fanasina Nefa indrisy, nanda, tsy mba sahy. Nirahin’i Jesoa ianao Hitarika anay Tompo o ! (2) mamindra fo aminay. Tompo o ! (2) mamindra fo aminay