TENIN’NY TOMPO (tonony sy feony : P. vonji.) Ref: Teny e ! (bis) tenin’ny Tompo Teny efa nisy tam-piandohana Teny izay tao amin’Andriamanitra Teny nahariana an’izao tontolo izao Teny fiainana hoan’ny olona Tenin’ny Tompo e ! Teny ilay tokana fahazavana Teny hanazava ny olombelona Teny nahariana an’izao tontolo izao Kanefa nolavin’ny olombelona Tenin’ny Tompo e ! Ary ny teny dia tonga nofo Nonina taty amintsika Nibanjina ny voninahiny izahay Ilay feno hasoavana sady marina Tenin’ny Tompo e! Teny nambaran’i Jesoa Tompo Mandehana torio amin’ny olombelona Izay hino izany dia ho voavonjy Fa izay handà kosa hohelohina Tenin’ny Tompo e! Teny nambaran’i Jesoa Tompo Tsy ary voasoratra avokoa Fa ny finoana no hampianatra azy Teny fiainana ho tanterahina Tenin’ny Tompo e!